Les mots du Pasteur
Ireto ny hafatra avy amin’ny Mpitandrina Selasoa RANDRIAMAHAZAKA izay zaraina amintsika

Tenin'ny Mpitandrina
Ho aminareo anie ry havana ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo !
Misaotra an’Andriamanitra isika fa tanteraka soa aman-tsara ny Synoda Lehibe faha XX izay natao tany Taolanaro ny 12-19 aogositra 2025. Tontosa ny fanavaozana ireo
tompon’andraikitra isan-tsokajiny, ary lohahevitra vaovao indray no hiainantsika FJKM mandritra ny 4 taona:
« Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo » ( I Kor 15 : 58
d).
Tsy ho tahaka ireo olona sasany tao amin’ny Fiangonana tao Korinto izay babon’ny fampianaran-diso ka nandà ny fitsanganana amin’ny maty anie isika; na koa toa ireo olona
nirehareha satria mihevitra ho manana fanomezam-pahasoavana manokana mihoatra noho ny hafa ; na koa ho mpanaram-po amin’ny filan-dratsy. Fa ho Fiangonana hijoro amin’ny finoana marina an’i Jesoa Kristy. Ho Fiangonana mahazo antoka ny famonjena, ka hitazona ny
fampianarana efa nomena azy, izay tovozina avy amin’ny Soratra Masina. Ho Fiangonana hikely aina fatratra amin’ny asa ka hamokatra be sy tsara ary maharitra ; ary hitondra ny Filazantsara eny amin’ny fiarahamonina. Koa alao hery ary fa fotoana hijoroatsika izao ary
« Mahereza sy matanjaha ka mahefà » ( I Tan 28 : 20).
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !
Rtoa Randriamahazaka Selasoa, Mpitandrina
