Pain quotidien

Alakamisy 04 Desambra

HABAKOKA 3,17 - 19

17 Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy voany ny voaloboka, Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina aza ny ondry ao amin’ny vala, Ary tsy misy omby ao am-pahitra,

18 Nefa izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy.

19 Jehovah Tompo no tanjako, Ary manao ny tongotro ho toy ny an’ny dieravavy Izy Ka mampandeha ahy any amin’ny havoanako. Ho an’ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ny valiha.

Psa 128 : 1 - 6

1 Cantique des degrés. Heureux tout homme qui craint l’Éternel, Qui marche dans ses voies ! 2 Tu jouis alors du travail de tes mains, Tu es heureux, tu prospères. 3 Ta femme est comme une vigne féconde Dans l’intérieur de ta maison ; Tes fils sont comme des plants d’olivier, Autour de ta table. 4 C’est ainsi qu’est béni L’homme qui craint l’Éternel. 5 L’Éternel te bénira de Sion, Et tu verras le bonheur de Jérusalem Tous les jours de ta vie ; 6 Tu verras les fils de tes fils. Que la paix soit sur Israël ! 

FFPM 531 : 1-2

1.Ry Jeso loharanon’aina,

 

Izay foto-pahasoavana!

 

Ny fonay toy ny tany maina,

 

Fenoy fitiavana!

 

      Aidino ao ny tena aina,

 

      Mba hampifankatia anay,

 

      Fandrao ho tonga very maina

 

      Ny fitiavanao anay.




2.Ny hasomparana levony

 

Soloy fitiavana;

 

Ny lolompo ampijanony

 

Ho tia fihavanana

 

      Ny fo malaky mankahala

 

      Ovay ho tia namana;

 

      Ampianaro hahalala

 

      Ny didim-pitiavana